Fambolen-kazo: manarina tontolo iainana, mamelona aina
Notarihin'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina ny fambolen-kazo teto anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika teto Iavoloha androany. Nantitranterina ny tanjona : "𝙁𝙖𝙢𝙗𝙤𝙡𝙚𝙣-𝙠𝙖𝙯𝙤, 𝙢𝙖𝙣𝙖𝙧𝙞𝙣𝙖 𝙩𝙤𝙣𝙩𝙤𝙡𝙤 𝙞𝙖𝙞𝙣𝙖𝙣𝙖, 𝙢𝙖𝙢𝙚𝙡𝙤𝙣𝙖 𝙖𝙞𝙣𝙖." "Mitari-dalana sy manoro lalana ary indrindra manome ohatra ireo rantsa-mangaika sy ireo sampan-draharaha rehetra mandrafitra ny fitantanana ny firenena isika" hoy ny Filoha.