Nolanian’ireo Loholon’i Madagasikara tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana nandritra ny fivoriana azon’ny besinimaro natrehina notarihan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Andriamatoa RABEMANANJARA Nicolas androany alakamisy 14 desambra 2023 ny Volavolan-dalàna laharana faha 022/2023 tamin’ny 04 oktobra 2023 manova sy mameno ny andininy sasantsasany ao amin’ny Lalàna laharana faha 2018-043 tamin’ny 13 febroary 2019 mahakasika ny ady atao amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana.