πππ‘πππ‘πππ‘π π‘π¬ π©π’πππ©π’πππ‘-πππΓπ‘π π ππππππ¦πππ π‘π¬ πππ¬ ππ ππ‘βπ‘π¬ πππ π’π§π¦πππ -ππ’ππ π¦π¬ π‘π¬ πππ ππ§π¦πππ -ππ’ππ π‘π¬ ππ¦π πππ π£πππ’π₯π’ππ’π₯π’ππ‘π
Nolanianβireo Loholonβi Madagasikara tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana nandritra ny fivoriana azonβny besinimaro natrehina notarihanβny Filohanβny Antenimierandoholona Andriamatoa RABEMANANJARA Nicolas androany alakamisy 14 desambra 2023 ny Volavolan-dalΓ na laharana faha 022/2023 taminβny 04 oktobra 2023 manova sy mameno ny andininy sasantsasany ao aminβny LalΓ na laharana faha 2018-043 taminβny 13 febroary 2019 mahakasika ny ady atao aminβny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana.
Anisanβny tanjona aminβity LalΓ na ity ny hamaritana ireo fitsipika entina hisorohana, hamantarana, hanakanana ary hanasaziana ireo asa rehetra mifandraika aminβny famotsiam-bola sy aminβny famatsiam-bola aminβny asa fampihorohoroana. Eo ihany koa ny ady aminβny famatsiana ny fanaparitahana ireo fitaovam-piadiana mahery vaika mifandray na tsia aminβny famotsiam-bola.
Marihina fa tafiditra aminβny fanovana natao taminβity LalΓ na ity ny famaliana ireo fepetra miisa efatra aminβny enina nangatahanβny GAFI na ny βGroupe dβAction FInanciΓ¨reβ mahakasika famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana; izay entina anehoana ny fahavononanβny Fitondram-panjakana Malagasy hiady aminβny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana. Ny fahalaniany dia tsy hampiditra anβi Madagasikara ao anatinβny βliste griseβ-nβi GAFI izay misy ireo firenena manana tsy fahampiana ara-stratejika aminβny ady aminβny famotsiam-bola. Eo aminβny lafiny ara-toe-karena kosa dia ahafahana misintona mpamatsy vola ny fisianβny Fanjakana tsara tantana.