Skip to main content

π—™π—”π—‘π——π—”π—‘π—œπ—”π—‘π—” 𝗑𝗬 π—©π—’π—Ÿπ—”π—©π—’π—Ÿπ—”π—‘-π——π—”π—ŸΓ€π—‘π—” π— π—”π—›π—”π—žπ—”π—¦π—œπ—žπ—” 𝗑𝗬 𝗔𝗗𝗬 π—”π— π—œπ—‘β€™π—‘π—¬ π—™π—”π— π—’π—§π—¦π—œπ—”π— -π—•π—’π—Ÿπ—” 𝗦𝗬 𝗑𝗬 π—™π—”π— π—”π—§π—¦π—œπ—”π— -π—•π—’π—Ÿπ—” 𝗑𝗬 𝗔𝗦𝗔 π—™π—”π— π—£π—œπ—›π—’π—₯𝗒𝗛𝗒π—₯𝗒𝗔𝗑𝗔

Nolanian’ireo Loholon’i Madagasikara tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana nandritra ny fivoriana azon’ny besinimaro natrehina notarihan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Andriamatoa RABEMANANJARA Nicolas androany alakamisy 14 desambra 2023 ny Volavolan-dalΓ na laharana faha 022/2023 tamin’ny 04 oktobra 2023 manova sy mameno ny andininy sasantsasany ao amin’ny LalΓ na laharana faha 2018-043 tamin’ny 13 febroary 2019 mahakasika ny ady atao amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana.

Anisan’ny tanjona amin’ity LalΓ na ity ny hamaritana ireo fitsipika entina hisorohana, hamantarana, hanakanana ary hanasaziana ireo asa rehetra mifandraika amin’ny famotsiam-bola sy amin’ny famatsiam-bola amin’ny asa fampihorohoroana. Eo ihany koa ny ady amin’ny famatsiana ny fanaparitahana ireo fitaovam-piadiana mahery vaika mifandray na tsia amin’ny famotsiam-bola.

Marihina fa tafiditra amin’ny fanovana natao tamin’ity LalΓ na ity ny famaliana ireo fepetra miisa efatra amin’ny enina nangatahan’ny GAFI na ny β€œGroupe d’Action FInanciΓ¨re” mahakasika famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana; izay entina anehoana ny fahavononan’ny Fitondram-panjakana Malagasy hiady amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana. Ny fahalaniany dia tsy hampiditra an’i Madagasikara ao anatin’ny β€œliste grise”-n’i GAFI izay misy ireo firenena manana tsy fahampiana ara-stratejika amin’ny ady amin’ny famotsiam-bola. Eo amin’ny lafiny ara-toe-karena kosa dia ahafahana misintona mpamatsy vola ny fisian’ny Fanjakana tsara tantana.

Link

Add new comment

Restricted HTML

  • You can align images (data-align="center"), but also videos, blockquotes, and so on.
  • You can caption images (data-caption="Text"), but also videos, blockquotes, and so on.